Bokin'i Rota

Toko voalohany

1 Tamin'ny andro nanapahan'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin'ny tanin'i Moaba, niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy.

3 Ary maty Elimeleka vadin'i Noemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.

4 Naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo. 5 Fa maty daholo koa izy roa lahy dia Mahalòna sy Seljòna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny. 6 Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin'ny tanin'i Moaba, satria reny tany amin'ny tanin'i Moaba fa efa novangian'ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina.

14 Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary Orfà nanoroka ny rafozany, fa Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy. 15 Ka hoy Noemì: Nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny iry ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin'ny zaobavinao koa. 16 Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; 22 Toy izany no nodian'i Noemì, ary niaraka taminy Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy any amin'ny tanin'i Moaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin'ny niandohan'ny fijinjana ny orja.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.126