Bokin'i Rota

Toko faha-2

1 Nanana havam-bady anankiray Noemì; lehilahy manan-jò sy manan-karena, avy amin'ny fianakavian'i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany.

2 Ary hoy Rota ilay Moabita tamin'i Noemì: Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Ka hoy izy namaly azy: Andeha, anaka.

3 Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin'ny saha anankiray teo aorian'ny mpijinja, ary sendra teo amin'ny tanimbarin'i Booza, fianakavian'i Elimeleka indrindra, no nalehany. 4 Ary indro, tonga any Betleema Booza, ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Ho aminareo anie Iaveh. Dia hoy kosa ireo namaly azy: Hanambina anao anie Iaveh. 8 Dia hoy Booza tamin'i Rota: Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin'ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin'ny ankizivaviko.

9 Jereo izay tanimbary hojinjàna dia manaraha eo aorian'ireo. Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta hianao, mandehana eo amin'ny siny dia misotroa amin'izay nantsakain'ny mpanompo. 10 Tamin'izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin'ny tany, ka nanao taminy hoe: Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny? 11 Dia hoy ny navalin'i Booza azy: Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an'ny rafozanao hatrizay nahafatesan'ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin'ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao aty amin'ny firenena tsy fantatrao akory taloha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.062