Ny Salamo
Salamo toko 1
Ny fahasambaran'ny olo-marina sy ny fijalian'ny mpanota.
1 Sambatra ny olona tsy mandeha amin'ny fisainan'ny tsy mpivavaka,
tsy mijanona amin'ny làlan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka miaraka amin'ny mpaniratsira;
2 fa ny làlan'Iaveh no ifaliany;
sady saintsaininy andro aman'alina.
3 Tahaka ny hazo nambolena eo amoron'ny rano velona izy,
ka ny voany tonga amin'ny fotoany;
ny raviny tsy mba malazo;
ny ataony rehetra vanona avokoa.
4 Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka:
toy ny akofa faohin'ny rivotra izy,
5 ka tsy hahatsangana amin'ny andron'ny fitsarana ny tsy mpivavaka,
na eo amin'ny fiangonan'ny olo-marina, ny mpanota.
6 Satria ny làlan'ny marina fantatr'Iaveh
fa ny làlan'ny mpanota mitarika ho amin'ny fahaverezana.