Ny Salamo
Toko voalohany
1 Sambatra ny olona tsy mandeha amin'ny fisainan'ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin'ny làlan'ny mpanota, ary tsy mipetraka miaraka amin'ny mpaniratsira;2 fa ny làlan'ny Tompo no ifaliany; sady saintsaininy andro aman'alina.
3 Tahaka ny hazo nambolena eo amoron'ny rano velona izy, ka ny voany tonga amin'ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
4 Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka: toy ny akofa faohin'ny rivotra izy,
6 Satria ny làlan'ny marina fantatry ny Tompo fa ny làlan'ny mpanota mitarika ho amin'ny fahaverezana.