Ny Salamo
Salamo toko 10
--
1Nahoana, ry Iaveh, no mijanona eny lavitra eny hianao,
sy miery amin'ny andron'ny fahoriana?
2Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona;
izy ireo dia voan'ny teti-dratsy noforonin'io.
3Mirehareha amin'ny fitsiriritany ny ratsy fanahy;
manamavo an'ny Tompo ny mpandroba mandoza.
4Hoy ny ratsy fanahy, amin'ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy!
Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.
5Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin'izay alehany.
Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany;
ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.
6Hoy izy anakampony: Tsy hangozohozo aho,
voafefy tsy ho azon-doza aho na oviana na oviana.
7Feno ozona sy fitaka amam-panaovana ankeriny ny vavany;
hasomparana sy tsy fahamarinana no ao ambany lelany.
8Manao otrika eo akaikin'ny tanàna izy;
mamono ny tsy manan-tsiny ao amin'ny fitoerany an-katakonana.
Mitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;
9mitily ao amin'ny fitoerana miafina toy ny liona ao anaty hazo milobolobo izy;
mitily izy hisovoka ny malahelo;
samboriny ny malahelo, taominy ho ao amin'ny fandrika haratony.
10Miondrika izy, mifitsaka,
dia lavo eo amin'ny hohony ny ory.
11Hoy izy, anakampony: Nanadino Andriamanitra;
efa nanarona ny tavany izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!
12Mitsangàna, ry Iaveh, asandrato ny tananao, ry Andriamanitra!
Aza manadino ny ampahoriana.
13Nahoana ny ratsy fanahy no dia mamingavinga an'Andriamanitra?
ahoana no anaovany anakam-po hoe: Tsy mamay hianao?
14Nahita anefa hianao, fa mijery ny fahoriana amam-pijaliana,
mba hiandraiketanao ny momba azy.
Hianao no iankinan'ny malahelo;
mamonjy ny kamboty hianao.
15Tapaho ny sandrin'ny ratsy fanahy;
ny tsy mpivavaka - raha karohinao ny helony, tsy ho hitanao va izany?
16Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria,
ho voafongatra eo amin'ny taniny ny firenena.
17Efa nihaino ny fanirian'ny ory hianao, ry Iaveh;
mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
18mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny ampahoriana,
ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona nalaina tamin'ny tany. >