Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 100
MiderĂ  an'Iaveh, fa mendrika azy ny fiderana rehetra.

       1Salamo fiderana.
Manaova hobin-kafaliana mankamin'ny Tompo
hianareo mponina amin'ny tany rehetra.
       2Manompoa an'ny Tompo amin-kafaliana,
mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.
       3Fantaro fa Andriamanitra, Iaveh;
izy no nanao antsika, ka azy isika,
vahoakany sy andian'ondriny amin'ny tanim-bilony.
       4Avia ho eo ambavahadiny amim-piderana,
sy eo an-kianjany amim-pihirana;
ankalazao izy, isaory ny anarany.
       5Fa tsara Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony,
ary maharitra amin'ny taona mifandimby ny fahamarinany. >