Ny Salamo

Toko faha-100

2 Manompoa an'ny Tompo amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.

3 Fantaro fa Andriamanitra, Iaveh; izy no nanao antsika, ka azy isika, vahoakany sy andian'ondriny amin'ny tanim-bilony.

4 Avia ho eo ambavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao izy, isaory ny anarany.

5 Fa tsara Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin'ny taona mifandimby ny fahamarinany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0968