Ny Salamo

Toko faha-101

1 Salamon'i Davida. Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina; hianao Iaveh no tiako hankalazaina.

2 Hitandrina ny làlan'ny tsy fananan-tsiny aho. - Rahoviana no ho tonga aty amiko hianao? - Handeha amin'ny fahitsian'ny foko aho, eo afovoan'ny tranoko.

3 Eo anoloan'ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetaka amiko izany.

5 Hofongorako, ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina. Ny olona misolanandrana sy bontsinin'ny hambom-po, tsy hotohako.

6 Hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany, ny masoko, mba hitoerany ato akaikiko; izay mandeha amin'ny làlana marina, no ho mpanompoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1387