Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 103, 1-2.3-4.9-10.11-12.
Fiderana an'Andriamanitra noho ny hatsaram-pony.

       1Nataon'i Davida.
Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko,
ary misaora ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
       2Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko,
ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy.
       3Fa izy no mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra.
       4Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
manarona hatsaram-po amam-pamindram-ponao.
       9Tsy mba ho mandrakizay no mandevilevy izy,
tsy mitana fahatezerana mandrakizay.
       10Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika,
ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika.
       11Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany,
no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra azy.
       12Tahaka ny halaviran'ny atsinanana amin'ny andrefana,
no halaviran'ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. >