Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 103, 1-2,3-4,6-7,
Fiderana an'Andriamanitra noho ny hatsaram-pony.

       1Nataon'i Davida.
Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko,
ary misaora ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
       2Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko,
ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy.
       3Fa izy no mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra.
       4Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
manarona hatsaram-po amam-pamindram-ponao.
       6Manao ny fitsarana Iaveh,
manome rariny an'izay rehetra nampahoriana.
       7Nampiseho ny l├álany tamin'i Moizy izy,
ary ny asany lehibe, tamin'ny zanak'Israely. >