Ny Salamo

Toko faha-104

1 Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitra ô, lehibe tsy manampetra hianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana hianao!

2 Mihodidina amin'ny fahazavana toy ny amin'ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.

3 Manorina ny fonenany amin'ny ranon'ny lanitra, manao ny rahona ho kalesiny; mandeha amin'ny elatry ny rivotra.

4 Manao ny rivotra ho irany, ary ny lelafo ho mpanompony.

5 Manorina ny tany eo amin'ny fanorenany izy, ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.

6 Nahodidinao azy, toy ny lamba, ny rano lalina, ka saron'ny rano ny tendrombohitra.

7 Saingy nandositra teo anoloan'ny fanandrinanao ireny, lasa nirifatra aman-tahotra noho ny feon'ny kotrokoranao izy.

8 Dia nitranga ny tendrombohitra, nilempona ny lohasaha, teo amin'ny toerana voatendrinao ho azy avy.

9 Nanisy faritra tsy hihoaran'ny rano hianao, ka tsy hiverina hanarona ny tany intsony ireny.

10 Mandefa loharano amin'ny lohasaha izy dia mandeha eny anelanelan'ny tendrombohitra ireny;

11 hisotroan'ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan'ny ampondra dia hanala ny hetahetany.

12 Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin'ny ravinkazo izy ireo.

13 Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin'ny fonenany avo izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan'ny tany.

14 Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy izy, mbamin'ny zava-maniry ho an'ny olombelona: mamoaka hanina avy amin'ny kibon'ny tany izy,

15 mbamin'ny divay izay mampifaly ny fon'ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo mankahery ny fony.

16 Feno ranony ny hazon'ny Tompo, mbamin'ny sederan'i Libàna izay namboleny.

17 Manao ny akaniny eo ny vorona, mbamin'ny vano izay mitoetra ao amin'ny sipresa;

18 ny tendrombohitra avo, ho an'ny osy dia, ary ny harambato ialofan'ny jeriboazy.

19 Ny volana nataony ho famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany.

20 Mampiavy ny aizina izy, ka alina ny andro, dia mihetsiketsika miaraka amin'izay ny biby rehetra any an'ala.

21 Mierona maniry toha, ny liona tanora, mangataka ny haniny amin'Andriamanitra.

22 Miposaka ny masoandro dia mihataka ireny ka lasa mamitsaka any an-davany.

23 Ny olombelona mivoaka amin'izay ho any amin'ny asany; sy ho any amin'ny raharahany mandra-paharivan'ny andro.

24 Akory ity hamaroan'ny asanao, ry Iaveh: nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.

25 Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe.

26 Mivezivezy ao ny sambo, mbamin'ny leviatana nataonao hilalao eo amin'ny onja.

27 Izy rehetra miandry anao, hanome ny haniny amin'ny fotoany.

28 Manome azy hianao, dia mandray izy; manokatra ny tànanao hianao, dia voky ny soa avy aminao izy.

29 Manafina ny tavanao hianao, dia raikitahotra izy; alanao indray ny fofon'ainy, dia maty izy, ka miverina indray amin'ny vovoka.

30 Maniraka ny fofon'ainao hianao, dia hary ireny; ary manavao ny tarehin'ny tany hianao.

31 Haharitra mandrakizay anie ny voninahitry ny Tompo! Hifaly amin'ny asany anie Iaveh!

32 Mijery ny tany izy dia mihorohoro io; manendry ny tendrombohitra izy dia midonaka ireny.

33 Sitrako ny mihira ho an'ny Tompo, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitra raha mbola misy koa aho.

34 Ho sitrany anie ny hirako, fa izaho, dia Iaveh no nataoko fifaliako.

35 Ho fongotra eto an-tany anie ny mpanota, ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy! Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko. Alleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0374