Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 104, 1ab,24ac,29bc-30,31,34,
Hira ho an'ny Mpahary.

       1Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko!
Iaveh Andriamanitra ô, lehibe tsy manampetra hianao!
Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana hianao!
       24Akory ity hamaroan'ny asanao, ry Iaveh:
nataonao tamim-pahendrena izy rehetra.
Henika ny harenao ny tany.
       29Manafina ny tavanao hianao, dia raikitahotra izy;
alanao indray ny fofon'ainy, dia maty izy,
ka miverina indray amin'ny vovoka.
       30Maniraka ny fofon'ainao hianao, dia hary ireny;
ary manavao ny tarehin'ny tany hianao.
       31Haharitra mandrakizay anie ny voninahitry ny Tompo!
Hifaly amin'ny asany anie Iaveh!
       34Ho sitrany anie ny hirako,
fa izaho, dia Iaveh no nataoko fifaliako. >