Ny Salamo

Toko faha-105

1 Mankalazà an'ny Tompo, miantsoa ny anarany; ampahafantaro eny amin'ny firenena ny asa lehibe nataony.

2 Mihirà ho azy, mankalazà azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.

3 Mireharehà amin'ny anarany masina; hiravoravo anie ny fon'izay mitady an'ny Tompo.

4 Mitadiava an'ny Tompo sy ny heriny, aza mitsahatra ny mitady ny tavany.

5 Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny fahagagana amam-pitsarana navoaky ny vavany,

6 ry taranak'i Abrahama mpanompony, tamingan'i Jakoba olom-boafidiny.

7 Izy Iaveh Andriamanitsika; mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.

8 Tsaroany mandrakizay ny fanekeny, ilay teny nolazainy marimarina ho an'ny taranaka mandimby;

9 Fanekena nataony tamin'i Abrahama; ary fianianana nataony tamin'Isaaka.

10 Naoriny ho lalàna izany, tamin'i Jakoba, ary ho fanekena mandrakizay tamin'Israely,

11 nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanaana, ho anjara lovanao.

12 Mbola olom-bitsy izy fahizany, sady vitsy no vahiny teo amin'ny tany;

13 ka nifindrafindra tany amin'ny firenena; niala tamin'ny fanjakana iray ho amin'ny firenen-kafa.

14 Tsy nisy navelany hampahory azy; ary izy ireo no namaizany mpanjaka:

15 Aza mikasika an'ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy an'ireo mpaminaniko.

16 Niantso mosary hamely ny tany izy, notapahany ny hanina izay tohan'ainy.

17 Naniraka olona hialoha azy ireo izy: Josefa namidy ho andevo.

18 Nogiazana tamin'ny fatorana ny tongony, nogadrana vy izy,

19 mandra-pahatongan'ny andro nahatanterahan'izay voalazany mialoha, izay nanamarinan'ny tenin'Andriamanitra azy.

20 Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka: nalefan'ny filohan'ny vahoaka ho afaka izy.

21 Dia natsangany ho tompon'ny tranony, sy ho mpanapaka ny taniny rehetra,

22 mba hifehy ireo andriandahy araka izay sitraky ny fony, sy hampianatra fahendrena an'ireo loholony.

23 Izay vao nankany Ejipta Israely, ka nitoetra teo amin'ny tanin'i Kama Jakoba.

24 Nohamaroin'Andriamanitra fatratra ny vahoakany, ary nataony mahery noho ireo mpampahory azy.

25 Novany ny fon'ireo, ka tonga nankahala ny vahoakany, sy nanao famadihana an'ireo mpanompony.

26 Dia nirahiny Moizy mpanompony, sy Aarona olom-boafidiny.

27 Ary ireo nanao ny famantaran'Andriamanitra teo amin'izy ireo, nanao fahagagana teo amin'ny tanin'i Kama.

28 Nandefa aizina izy, ka nampanjariany alina ny andro, fa tsy nandà ny teniny ireny.

29 Nanova ny ranony ho ra izy, ka nahafaty ny hazandranon'izy ireo.

30 Nisy rahona nihahohaho teo amin'ny taniny, hatrany amin'ny efitranon'ny mpanjakany.

31 Niteny izy ka lalitra zavon-tany no tonga, dia moka nanerana ny faritaniny.

32 Norotsahany havandra ho solon'ny ranonorana izy ireo; sy afo nidedadeda teo amin'ny taniny.

33 Namono ny voalobony aman'aviaviny izy, ary nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.

34 Niteny izy dia tonga ny valala, ka valala tsy hita isa.

35 Ka nohanin'ireny avokoa ny ahitra teo amin'ny taniny, nolevonin'ireny ny vokatry ny sahany.

36 Namono ny lahimatoa rehetra teo amin'ny taniny izy, dia ny voalohan'ainy rehetra.

37 Dia nentiny nivoaka ny vahoakany nitondra volafotsy sy volamena, ary tsy nisy nangozohozo tamin'ireo fokony, na dia iray aza.

38 Nifaly tamin'ny nahalasanany ny Ejipsiana, satria nahazo an'ireo ny fahatahorana an'Israely.

39 Namelatra rahona hanalokaloka azy izy, ary afo hanazava azy amin'ny alina.

40 Nangataka izy ireo dia nandefasany papelika, ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.

41 Nanokatra ny vatolampy izy, dia niboiboika ny rano, ka nandriaka sahala amin'ny ony tany an'efitra.

42 Fa tsaroany ny teniny masina, sy Abrahama mpanompony.

43 Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany; ary tamin'ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.

44 Nomeny azy ireo ny tanin'ny firenena, ary nahazo nizaka ny vokatry ny asan'ny firenena izy ireo.

45 Raha tahiny nitandrina ny didiny anefa izy ireo; sy nitana ny lalàny. Aleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1164