Ny Salamo
Toko faha-105
1 Mankalazà an'ny Tompo, miantsoa ny anarany; ampahafantaro eny amin'ny firenena ny asa lehibe nataony.2 Mihirà ho azy, mankalazà azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.
3 Mireharehà amin'ny anarany masina; hiravoravo anie ny fon'izay mitady an'ny Tompo.
4 Mitadiava an'ny Tompo sy ny heriny, aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
6 ry taranak'i Abrahama mpanompony, tamingan'i Jakoba olom-boafidiny.
7 Izy Iaveh Andriamanitsika; mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.