Ny Salamo
Salamo toko 105, 1-2,3-4,6-7,8-9,
Soa nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoaka hebrio hatramin'ny andron'i Abrahama ka hatramin'ny nitoerany tany amin'ny tany nampanantenaina.
1Mankalazà an'ny Tompo, miantsoa ny anarany;
ampahafantaro eny amin'ny firenena ny asa lehibe nataony.
2Mihirà ho azy, mankalazà azy!
Torio ny fahagagana rehetra ataony.
3Mireharehà amin'ny anarany masina;
hiravoravo anie ny fon'izay mitady an'ny Tompo.
4Mitadiava an'ny Tompo sy ny heriny,
aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
6ry taranak'i Abrahama mpanompony,
tamingan'i Jakoba olom-boafidiny.
7Izy Iaveh Andriamanitsika;
mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.
8Tsaroany mandrakizay ny fanekeny,
ilay teny nolazainy marimarina ho an'ny taranaka mandimby;
9Fanekena nataony tamin'i Abrahama;
ary fianianana nataony tamin'Isaaka. >