Ny Salamo

Toko faha-106

1 Aleloia! Ankalazao Iaveh, fa tsara fo izy, satria mandrakizay ny famindram-pony.

2 Iza no mahalaza ny asa amin-kerim-po ataon'ny Tompo, iza no mahambara ny voninahiny rehetra?

3 Sambatra izay mitandrina ny lalàna, ka manaraka ny rariny mandrakariva!

4 Ry Iaveh ô, tsarovy aho amin'ny hatsaram-ponao amin'ny vahoakanao, vangio amin'ny famonjenao aho,

5 hahitako ny hasambaran'ny olom-boafidinao, hifaliako amin'ny fifalian'ny vahoakanao, ary hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.

6 Efa nanota toy ny razanay izahay, nahavita heloka izahay, nanao ratsy izahay.

7 Ny razanay tany Ejipta tsy nihevitra ny fahagagana nataonao, tsy nahatsiaro ny hamaroan'ny fahasoavanao; niodina teo amoron-dranomasina, dia ny ranomasina Mena.

8 Namonjy azy anefa izy noho ny anarany, mba hampiharihary ny fahefany.

9 Nambanany ny ranomasina Mena, dia maina io, ka nentiny nita ny hantsana toy ny namaky ny efitra izy ireo.

10 Namonjy azy tamin'ny tànan'izay nankahala azy izy, nanafaka azy tamin'ny tànan'ny mpampahory azy.

11 Nosaforan'ny onjan-drano ireo mpandrafy azy, ka tsy nisy niangana na dia iray aza.

12 Dia nino ny teniny izy ireo tamin'izay, ary nihira fiderana azy.

13 Kanjo kosa izy ireo nalaky nanadino ny asany, tsy niandry ny hanatanterahany izay voakasany.

14 Voan'ny fitsiriritana tany an'efitra izy, ka naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany mangingina.

15 Nomeny azy ihany izay nangatahany, fa nasiany fahiazana kosa izy ireo.

16 Tao an-toby indray izy ireo nialona an'i Moizy, sy Aarona ilay olo-masin'ny Tompo.

17 Fa nisokatra ny tany, ka nitelina an'i Datana, sy nikatona nanarona ny antokon'i Abirona.

18 Nolevonin'ny afo ny antokon'izy ireo, dia levon'ny lelafo ny ratsy fanahy.

19 Nanao zanak'ombalahy izy teo an-tendrombohitra Horeba, dia niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra anidina.

20 Ny voninahitr'izy ireo, dia natakalony sarin'omby miraoka ahitra.

21 Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy, izay nanao zava-dehibe tany Ejipta,

22 fahagagana tany amin'ny tanin'i Kama, famantarana teo amin'ny ranomasina Mena.

23 Efa nolazainy haringana izy ireo; raha tsy Moizy olom-boafidiny, no nitsangana teo anatrehany hisakana ny hatezerany tsy handringana azy.

24 Izy ireo nanamavo ny tanim-pahafinaretana tsy nino ny tenin'ny Tompo.

25 Nimonomonona tao an-dainy, ary naneky ny feony izy ireo,

26 ka dia nanainga ny tànana izy hamely azy ireo, handringana azy any an'efitra:

27 hahavery ny taranany any amin'ny firenena, ary hanely azy any an-tany hafa.

28 Niraikitra tamin'i Beelfegora izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an'ny maty.

29 Nampahatezitra an'ny Tompo tamin'ny nataony izy ireo, dia nibosesehan'ny loza.

30 Nitsangana nanolotra fanonerana Finea, dia nitsahatra ny loza.

31 Notànana ho fahamarinana ho azy izany nataony izany, hatramin'ny taona mifandimby mandrakizay.

32 Nampahatezitra an'ny Tompo izy ireo tao amin'ny ranon'i Meriba, ary nozoim-pahoriana noho ny nataon'izy ireo Moizy;

33 fa nampahasosotra ny fanahiny izy ireo, ka nahavoaka teny tsy voahevitra izy.

34 Tsy naringan'izy ireo ny firenena nasain'ny Tompo naringany.

35 Fa niharo tamin'ny firenena izy, nianatra ny asan'ireny.

36 Nanompo ny sampin'ireny, izay tonga fandrika ho azy.

37 Nataony sorona ho an'ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy.

38 Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran'ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin'ny sampin'i Kanaana, ka ny tany voaloton'ny vonoan'olona.

39 Izy ireo nandoto tena tamin'ny asany, ary nitolo-tena tamin'andriamani-kafa.

40 Dia nirehitra tamin'ny vahoakany ny fahatezeran'ny Tompo, ary tonga tsy tiany mainty ny lovany.

41 Natolony ho eo an-tànan'ny firenena izy ireo, ka notapahin'ireo mankahala azy.

42 Nampahorian'ny fahavalony izy, ary voaetry tambanin'ny tanan'ireny.

43 Nanafaka azy ireo matetika izy; nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo; ka ny helony no nahaverezany ny tenany.

44 Nijery ny fahorian'izy ireo anefa izy, nony nandre ny fitarainany.

45 Notsarovany, hitsimbinana azy, ny fanekeny; namindra fo taminy araka ny hatsaram-pony lehibe izy;

46 ary nataony nahita famindram-po aminy izy ireo, teo anatrehan'izay rehetra nitana azy ho babo.

47 Vonjeo izahay, ry Iaveh, Andriamanitray, ka angony avy amin'ny firenena izahay, mba hankalazanay ny anaranao masina, ary hireharehanay amin'ny fiderana anao.

48 Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely, hatramin'ny mandrakizay ka ho mandrakizay! Ary aoka ny vahoaka rehetra hilaza hoe: Amena! Aleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372