Ny Salamo
Toko faha-106
1 Aleloia! Ankalazao Iaveh, fa tsara fo izy, satria mandrakizay ny famindram-pony.2 Iza no mahalaza ny asa amin-kerim-po ataon'ny Tompo, iza no mahambara ny voninahiny rehetra?
3 Sambatra izay mitandrina ny lalàna, ka manaraka ny rariny mandrakariva!
4 Ry Iaveh ô, tsarovy aho amin'ny hatsaram-ponao amin'ny vahoakanao, vangio amin'ny famonjenao aho,
5 hahitako ny hasambaran'ny olom-boafidinao, hifaliako amin'ny fifalian'ny vahoakanao, ary hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.