Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 106, 34-35,36-37,39-40,43ab,44,

       <34Tsy naringan'izy ireo ny firenena
nasain'ny Tompo naringany.
       35Fa niharo tamin'ny firenena izy,
nianatra ny asan'ireny.
       36Nanompo ny sampin'ireny,
izay tonga fandrika ho azy.
       37Nataony sorona ho an'ny demony,
ny zanany lahy aman-janany vavy.
       39Izy ireo nandoto tena tamin'ny asany,
ary nitolo-tena tamin'andriamani-kafa.
       40Dia nirehitra tamin'ny vahoakany ny fahatezeran'ny Tompo,
ary tonga tsy tiany mainty ny lovany.
       43Nanafaka azy ireo matetika izy;
nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo;
ka ny helony no nahaverezany ny tenany.
       44Nijery ny fahorian'izy ireo anefa izy,
nony nandre ny fitarainany. >