Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 106, 6-7a,19-20,21-22,

       <6Efa nanota toy ny razanay izahay,
nahavita heloka izahay, nanao ratsy izahay.
       7Ny razanay tany Ejipta tsy nihevitra ny fahagagana nataonao,
tsy nahatsiaro ny hamaroan'ny fahasoavanao;
niodina teo amoron-dranomasina, dia ny ranomasina Mena.
       19Nanao zanak'ombalahy izy teo an-tendrombohitra Horeba,
dia niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra anidina.
       20Ny voninahitr'izy ireo, dia natakalony
sarin'omby miraoka ahitra.
       21Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy,
izay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
       22fahagagana tany amin'ny tanin'i Kama,
famantarana teo amin'ny ranomasina Mena. >