Ny Salamo

Toko faha-107

23 Nirotsaka an-tsambo izy ireo teny amin'ny ranomasina, mba hanao fandrantoana eny amin'ny rano lehibe. -

24 Ireo no nahita ny asan'ny Tompo, mbamin'ny fahagagana nataony teo amin'ny hatsam-be. -

25 Fa niteny izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra, izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina;

26 ka tafasavoana hatrany an-danitra izy ireo, tafalentika ao amin'ny hantsana; trotraky ny fahoriana ny fanahiny.

28 Nitaraina tamin'ny Tompo tao anatin'ny fahoriany izy, ka novonjeny ho afaka amin'ny fahaporitany.

29 Novany ho tsiotsio-drivotra malemy ny tafio-drivotra, dia nangina ny onjan-dranomasina.

30 Nifaly izy ireo nahita ireo nitony, ary nentin'ny Tompo, ho amin'ny fitodiana niriny izy.

31 Hoderainy anie Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an'ny zanak'olombelona!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0393