Ny Salamo

Toko faha-108

1 Fihirana. Salamon'i Davida.

2 Efa mahazo toky ny foko, ry Andriamanitra ô, dia hihira sy hampanakoako zava-maneno aho. Mitsangàna, ry voninahitro!

3 Mifohaza, ry valiha amana harpako! Aoka hamoha ny mazava atsinanana aho!

4 Hidera anao eo amin'ny vahoaka aho, ry Iaveh! hihira ho anao eo amin'ny firenena aho.

5 Fa misondrotra hihoatra ny lanitra ny hatsaram-ponao, ary tafapaka amin'ny rahona ny fahamarinanao.

6 Misandrata hihoatra ny lanitra, ry Andriamanitra; aoka hamirapiratra amin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

7 Mba ho afaka ireo malalanao, vonjeo amin'ny tànanao ankavanana, ary valio vavaka aho.

8 Efa niteny tamin'ny fahamasinany Andriamanitra: Hientan-kafaliana aho! Fa lasan-ko anjarako Sikema; horefesiko Sokota.

9 Ahy Galaada, ahy Manase; fiadiana aro lohako Efraima, ary tehim-panjakako Jodà;

10 Moaba tavin-drano fandroako, Edoma anipazako ny kapako; Ny tanin'ny Filistina no anaovako hobin-kafaliana!

11 Iza no hitondra ahy any amin'ny tanàna mimanda? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

12 Tsy hianao izay efa nanary anay va, ry Andriamanitra, hianao, ry Andriamanitra, izay efa tsy niara-nivoaka tamin'ny tafikay intsony?

13 Vonjeo amin'ny mpampahory anay izahay, fa zava-poana ny famonjena avy amin'olombelona.

14 Raha omban'Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika; izy no hanorotoro ny fahavalontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898