Ny Salamo

Toko faha-11

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Iaveh no itokiako; ka ahoana no ilazanareo amin'ny fanahiko hoe: Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?

2 Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; nametaka tamin'ny tady ny zana-tsipìkany; mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin'ny maizina.

3 Raha rava ny fanorenana, inona indray no azon'ny marina atao?

4 Iaveh izay ao amin'ny tempoliny masina, Iaveh izay manana ny seza fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak'olombelona hatr'ao anatiny.

5 Mizaha ny marina hatr'ao anatiny Iaveh; fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny izy.

6 Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan'ireny.

7 Fa marina Iaveh ka ny fahamarinana no tiany; ny mahitsy fo no hibanjina ny tavany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1304