Ny Salamo
Salamo toko 11
Mandry fahizay ny fanahy matoky an'Andriamanitra.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida.
Iaveh no itokiako;
ka ahoana no ilazanareo amin'ny fanahiko hoe:
Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?
2 Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany;
nametaka tamin'ny tady ny zana-tsipìkany;
mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin'ny maizina.
3 Raha rava ny fanorenana,
inona indray no azon'ny marina atao?
4 Iaveh izay ao amin'ny tempoliny masina,
Iaveh izay manana ny seza fiandrianany any an-danitra,
dia mana-maso mahiratra;
ary ny hodi-masony mizaha ny zanak'olombelona hatr'ao anatiny.
5 Mizaha ny marina hatr'ao anatiny Iaveh;
fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny izy.
6 Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy;
rivo-mahery no ho anjara kapoakan'ireny.
7 Fa marina Iaveh ka ny fahamarinana no tiany;
ny mahitsy fo no hibanjina ny tavany.