Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 110
Fanjakana amam-pisoronan'ny Mesia.

       1Salamon'i Davida.
Iaveh nilaza tamin'ny Tompoko hoe:
Mipetraha eo ankavanako hianao,
mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
       2Hanitatra ny tehina fanapahanao, avy ao Siona Iaveh:
manjaka amim-pahefan'ny Tompo eo amin'ny fahavalonao hianao!
       3Midodododo aminao ny vahoakanao amin'ny andro hamorianao ny tafikao,
mitondra ny fanamiana masina:
Avy ao ampofoan'ny mazava atsinanana,
dia mankao aminao ny ranonandon'ny mpiadinao tanora.
       4Efa nianianan'ny Tompo ka tsy hanenenany izao:
Mpisorona mandrakizay hianao,
araka ny fomban'i Melkisedeka.
       5Eo an-kavanana ny Tompo,
handripaka ny mpanjaka izy amin'ny andron'ny fahatezerany.
       6Manao ny fitsarany any amin'ny firenena izy,
feno faty hatraiza hatraiza;
manorotoro ny loha eo amin'ny tany tontolo izy.
       7Misotro amin'ny renirano izy eny an-d├álana,
ka izany no itrakan'ny lohany. >