Ny Salamo

Toko faha-111

1 ALEPH Sitrako ny midera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra, BETH eo amin'ny fivorian'ny olo-marina sy ao amin'ny fiangonana.

2 GHIMEL Lehibe ny asan'ny Tompo; DALETH katsahin'ny olona izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.

3 HE Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, VAV ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

4 ZAIN Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony izy; HETH mamindra fo sy miantra Iaveh.

5 TETH Nomeny hanina izay matahotra azy; YOD tsaroany mandrakizay ny fanekeny.

6 KAPH Naharihariny tamin'ny vahoakany ny herin'ny asany, LAMED tamin'ny nanolorany azy ny lovan'ny firenena.

7 MEM Rariny amam-pahamarinana ny asan'ny tanany, NUN tsy mety miova ny didiny rehetra.

8 SAMECH Voaorina mafy ho mandrakizay ireny, AIN fa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana.

9 PHE Nanatitra ny famonjena ho an'ny vahoakany izy, TSADE ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. QOPH Masina sy mahatahotra ny anarany.

10 RESCH Ny fahatahoran'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena, SCHIN manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. THAV Maharitra mandrakizay ny fiderana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371