Ny Salamo
Toko faha-111
1 ALEPH Sitrako ny midera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra, BETH eo amin'ny fivorian'ny olo-marina sy ao amin'ny fiangonana.2 GHIMEL Lehibe ny asan'ny Tompo; DALETH katsahin'ny olona izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.
3 HE Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, VAV ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
4 ZAIN Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony izy; HETH mamindra fo sy miantra Iaveh.
5 TETH Nomeny hanina izay matahotra azy; YOD tsaroany mandrakizay ny fanekeny.
6 KAPH Naharihariny tamin'ny vahoakany ny herin'ny asany, LAMED tamin'ny nanolorany azy ny lovan'ny firenena.