Ny Salamo
Toko faha-112
1 ALEPH Sambatra ny olona matahotra an'ny Tompo, BETH izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin'ny fitandremana ny didiny.2 GHIMEL Hahery ambonin'ny tany ny taranany; DALETH hambinina ny taranaky ny marina.
3 HE Fiadanana sy harena no ao an-tranony; VAV ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
4 ZAIN Fahazavana no miposaka ao amin'ny aizina ho an'ny olo-mahitsy. HETH ho an'izay mamindra fo sy miantra ary marina.
5 TETH Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; YOD hahery an'ady izy, eo amin'ny fitsarana.
6 KAPH Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, LAMED hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.