Ny Salamo
Toko faha-112
4 ZAIN Fahazavana no miposaka ao amin'ny aizina ho an'ny olo-mahitsy. HETH ho an'izay mamindra fo sy miantra ary marina.5 TETH Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; YOD hahery an'ady izy, eo amin'ny fitsarana.
6 KAPH Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, LAMED hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
7 MEM Tsy mba matahotra ampandrenesina loza izy NUN miorina mafy ny fony, matoky an'ny Tompo izy;
8 SAMECH tsy nety nihozongozona ny fony, tsy matahotra izy AIN mandra-pahitany ny fahavalony hoe resy.
9 PHE Mamafy fiantrana izy, manome ny mahantra. TSADE maharitra mandrakizay ny fahamarinany; KOPH misandratra amim-boninahitra ny tandrony.