Ny Salamo

Salamo toko 113
Fiderana an'Iaveh mpiaro ny tra-pahoriana. Aleloia!

       1 Midera hianareo, ry mpanompon'Iaveh,
midera ny anaran'Iaveh.
       2 Isaorana anie ny anaran'Iaveh,
dieny ankehitriny ka ho mandrakizay!
       3 Hoderaina anie ny anaran'Iaveh,
hatr'eo amin'ny fiposahan'ny masoandro
ka hatr'eo amin'ny filentehany.
       4 Tafasandratra ambonin'ny firenen-drehetra Iaveh,
mihoatra ny lanitra ny voninahiny.
       5 Iza no tahaka an'Iaveh Andriamanitsika?
izay mipetraka any amin'ny avo,
       6 ary mitsinjo aty ambany,
eny an-danitra sy ety an-tany.
       7 Manandratra ny ory hiala amin'ny vovoka izy,
manesotra ny mahantra hiala amin'ny zezika izy;
       8 mba hampipetraka azy miaraka amin'ny andriandahy,
dia miaraka amin'ny andriandahin'ny vahoakany.
       9 Manome fonenana ny momba ao an-trano izy,
manao azy ho reny mifaly eo afovoan'ny zanany.
Aleloia!