Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 115, 3ab-4ab,5ab-6ab,7ab-8ab,9ab-10ab,

       <3Any an-danitra ny Andriamanitsika;
izay tiany hatao, vitany avokoa.
       4Ny sampin'izy ireo dia volafotsy sy volamena,
asan-tanan'olombelona.
       5Manam-bava fa tsy miteny izy,
mana-maso fa tsy mahita izy,
       6manan-tsofina fa tsy mahare,
manan'orona fa tsy manimbolo,
       7manan-tanana fa tsy mandray,
manan-tongotra fa tsy mamindra.
Ny tendany tsy amoahany feo akory.
       8Hanahaka azy anie izay nanao azy
mbamin'izay rehetra mitody aminy!
       9Ry Israely รด, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao!
Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo.
       10Ry taranak'i Aarona, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao!
Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo. >