Ny Salamo
Salamo toko 116, 10.15.16-17.18-19
<10Matoky aho, na dia milaza hoe aza:
Fara-fahoriana aho ity!
15Zava-tsarobidy eo imason'ny Tompo
ny fahafatesan'ny mpino azy.
16- Endrey! ry Iaveh รด, satria mpanomponao aho;
mpanomponao, zanaky ny ankizivavinao,
ka dia novahanao ny fatorako.
17Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho,
ary hiantso ny anaran'ny Tompo.
18hanefa ny voadiko tamin'ny Tompo aho,
eo anatrehan'ny vahoakany rehetra,
19eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo,
dia eo anatin'ny mandanao, ry Jerosalema.
Aleloia! >