Ny Salamo

Toko faha-116

1 Tiako izy, satria ren'ny Tompo, ny feoko, ny fitarainako.

2 Fa nanongilan-tsofina tamiko izy, ka hiantso azy aho, ny andro rehetra hiainako.

3 Efa nihodidina tamiko ny fatoran'ny fahafatesana, efa nahazo ahy ny tebitebin'ny seoly; efa nianjady tamiko ny fanahiana amam-pahoriana,

4 fa niantso ny anaran'ny Tompo aho, nanao hoe: Iaveh รด, vonjeo ny fanahiko!

5 Mamindra fo sy marina Iaveh, miantra ny Andriamanitsika.

6 Miaro ny osa Iaveh; ory aho ka novonjeny.

8 Eny, hianao efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, ny tongotro tamin'ny halavoana.

9 Izaho mbola handeha eo anatrehan'ny Tompo eo amin'ny tanin'ny velona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1502