Ny Salamo

Toko faha-116

12 Inona no havaliko an'ny Tompo, noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13 Hanainga ny kopin'ny famonjena aho, ka hiantso ny anaran'ny Tompo.

15 Zava-tsarobidy eo imason'ny Tompo ny fahafatesan'ny mpino azy.

16 - Endrey! ry Iaveh รด, satria mpanomponao aho; mpanomponao, zanaky ny ankizivavinao, ka dia novahanao ny fatorako.

17 Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho, ary hiantso ny anaran'ny Tompo.

18 hanefa ny voadiko tamin'ny Tompo aho, eo anatrehan'ny vahoakany rehetra,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0962