Ny Salamo

Toko faha-118

1 (Raha vao miainga ny fivavahana mandeha) Miderà an'ny Tompo, fa tsara fo izy, fa mandrakizay ny famindram-pony!

14 Iaveh no heriko sy fihirako; izy no famonjena ahy.

15 Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain'ny marina. Fa naneho ny heriny ny tànana ankavanan'ny Tompo,

16 nisandratra ny tànana ankavanan'ny Tompo, naneho ny heriny ny tànana ankavanan'ny Tompo.

17 Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan'ny Tompo.

18 Nofaizin'ny Tompo mafy aho, nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.

19 Amohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho, mba hidirako, sy hiderako an'ny Tompo.

20 (Ny mpisorona) Ity no vavahadin'ny Tompo, ny marina no mahazo miditra eo.

21 (Ny filohan'ny vahoaka) Hankalaza anao aho fa namaly vavaka ahy hianao, ka efa famonjena ahy hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.119