Ny Salamo
Toko faha-118
2 Aoka Israely hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony!3 Aoka ny taranak'i Aarona hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony!
4 Aoka izay matahotra an'ny Tompo hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony!
13 Hianao nandronjina ahy mafy handavo ahy, fa Iaveh kosa namonjy ahy.
14 Iaveh no heriko sy fihirako; izy no famonjena ahy.
15 Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain'ny marina. Fa naneho ny heriny ny tànana ankavanan'ny Tompo,
22 Ny vato narian'ny mpanorina, dia tonga vato fehizoro.
23 (Ny mpisorona) Asa vitan'ny Tompo izany, ka zava-mahagaga eo imasontsika.
24 (Ny vahoaka miditra) Ity no andro nataon'ny Tompo, mifalia sy miravoravoa isika.