Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 1.27.30.34.35.44
Fiderana ny lalàn'Iaveh.

       1ALEPH
Sambatra ny tsy manan-tsiny amin'ny lalany,
izay mandeha araka ny lalan'ny Tompo.
       27Ampahafantaro ahy ny làlan'ny didinao,
dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho.
       30Nifidy ny làlan'ny fahamarinana aho,
ataoko eo imasoko ny didinao.
       34Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao:
sy hankatoavako azy amin'ny foko rehetra.
       35Tariho aho amin'ny làlan'ny didinao,
fa ao no hahitako fahasambarana.
       44Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao;
mandrakariva sy mandrakizay. >