Ny Salamo
Toko faha-119
66 Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao.68 Tsara fo sy manao soa hianao, Ampianaro ny lalànao aho.
76 Ny hatsaram-ponao anie no ho fiononako, araka ny teny nomena ny mpanomponao.
77 Ho tonga amiko anie ny fiantranao ary ho velona anie aho, fa ny lalànao no fahafinaretako.
93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa izy no namelomanao ahy indray.
94 Anao aho: dia vonjeo, fa mitady ny didinao.