Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 1-2,4-5,17-18,33-34,
Fiderana ny lalàn'Iaveh.

       1ALEPH
Sambatra ny tsy manan-tsiny amin'ny lalany,
izay mandeha araka ny lalan'ny Tompo.
       2Sambatra izay mitana ny fampianarany;
izay mitady azy amin'ny fony rehetra,
       4Efa namoaka ny didinao hianao;
mba hitandreman'ny olona azy tsara.
       5Enga anie ka ho voahitsy ny làlako,
mba hitandremako ny didinao!
       17GHIMEL
Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao mba ho velona aho,
ka hitandrina ny teninao.
       18Sokafy ny masoko mba hahitako
ny zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
       33HE
Ry Iaveh ô, ampianaro ny làlan'ny didinao aho,
mba hitandremako azy hatramin'ny faran'ny aiko.
       34Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao:
sy hankatoavako azy amin'ny foko rehetra. >