Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 1-2,4-5,7-8,
Fiderana ny lalàn'Iaveh.

       1ALEPH
Sambatra ny tsy manan-tsiny amin'ny lalany,
izay mandeha araka ny lalan'ny Tompo.
       2Sambatra izay mitana ny fampianarany;
izay mitady azy amin'ny fony rehetra,
       4Efa namoaka ny didinao hianao;
mba hitandreman'ny olona azy tsara.
       5Enga anie ka ho voahitsy ny làlako,
mba hitandremako ny didinao!
       7Hidera anao amin'ny hitsim-poko aho,
amin'ny fianarana ny didin'ny fahamarinanao.
       8Sitrako ny mitandrina ny didinao:
aza dia ilaozanao tokoa aho. >