Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 57,72,76-77,127-128,129-130,

       <57HETH
Ny anjarako, ry Iaveh, lazaiko izany,
dia ny mitandrina ny teninao.
       72Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy;
mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
       76Ny hatsaram-ponao anie no ho fiononako,
araka ny teny nomena ny mpanomponao.
       77Ho tonga amiko anie ny fiantranao ary ho velona anie aho,
fa ny lalànao no fahafinaretako.
       127Noho izany dia tia ny didinao aho,
mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio.
       128Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao;
halako ny làlam-pitaka rehetra.
       129PHE
Mahagaga ny fampianaranao,
ka mitandrina azy ny fanahiko.
       130Mahazava, ny famelarana ny teninao;
ka mampahazo saina ny olona tsotra. >