Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 89,90,91,130,135,175,

       <89LAMED
Iaveh ô, ny teninao,
miorina mandrakizay any an-danitra.
       90Maharitra amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany;
nanorina ny tany hianao, dia maharitra izy.
       91Araka ny lalànao no mbola aharetan'ny zavatra rehetra mandraka androany;
fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.
       130Mahazava, ny famelarana ny teninao;
ka mampahazo saina ny olona tsotra.
       135Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao,
ary ampianaro ny lalànao aho.
       175Ho velon-kidera anao anie ny fanahiko,
ary ho avy hamonjy ahy ny fitsaranao. >