Ny Salamo

Toko faha-12

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Oktavy. Hiran'i Davida.

2 Vonjeo ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona ny mahatoky.

3 Mifampilaza lainga no ataon'ny olona; molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.

4 Holevonin'ny Tompo anie ny molotra mandrobo rehetra, mbamin'ny lela miteny amin'avonavona,

5 izay milaza hoe: Mankahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?

6 Noho ny fahorian'ny ory, amam-pisentoan'ny mahantra, dia hitsangana aho ankehitriny, hoy Iaveh, dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.

7 Teny madio ny tenin'ny Tompo, volafotsy voarendrika anatin'ny memy ambonin'ny tany izy, ka voadio impito.

8 Hianao no hiambina azy, ry Iaveh ô; dia hiaro azy mandrakariva amin'ity taranaka ity.

9 Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy; fa araka ny isandratan'ny zanak'olombelona no hanetrena azy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1848