Ny Salamo
Salamo toko 12
Fitokiana amin'Andriamanitra na dia eo afovoan'ny ratsy aza.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Oktavy. Hiran'i Davida.
2 Vonjeo ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka:
mihafoana tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona ny mahatoky.
3 Mifampilaza lainga no ataon'ny olona;
molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
4 Holevonin'Iaveh anie ny molotra mandrobo rehetra,
mbamin'ny lela miteny amin'avonavona,
5 izay milaza hoe: Mankahery anay ny lelanay;
miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?
6 Noho ny fahorian'ny ory,
amam-pisentoan'ny mahantra,
dia hitsangana aho ankehitriny, hoy Iaveh,
dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.
7 Teny madio ny tenin'Iaveh,
volafotsy voarendrika anatin'ny memy ambonin'ny tany izy,
ka voadio impito.
8 Hianao no hiambina azy, ry Iaveh ô;
dia hiaro azy mandrakariva amin'ity taranaka ity.
9 Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy;
fa araka ny isandratan'ny zanak'olombelona no hanetrena azy ireo.