Ny Salamo
Toko faha-122
1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe: Andeha isika ho any an-tranon'ny Tompo!2 indro fa tapitra ny dianay eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
3 Ry Jerosalema, hianao voaorina toy ny tanàna, izay iraisan'ny zavatra rehetra.
4 Ao no iakaran'ny foko, dia ny fokon'ny Tompo, araka ny lalàn'Israely, mba hidera ny anaran'ny Tompo.
8 Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako, dia mangataka fiadanana ho anao aho.
9 Noho ny tranon'Andriamanitsika, dia maniry fahasambarana ho anao aho.