Ny Salamo

Salamo toko 123
Fitokiana amam-pangatahana raha haratsian'ny fahavalo.

       1 Fihirana fiakarana.
Miandrandra anao ny masoko,
dia hianao izay mitoetra any an-danitra.
       2 Toy ny ibanjinan'ny mason'ny ankizilahy
ny tànan'ny tompolahiny,
sy ny mason'ny ankizivavy
ny tànan'ny tompovaviny,
no ibanjinan'ny masontsika an'Iaveh Andriamanitsika,
mandra-pamindra fony amintsika.
       3 Mamindrà fo aminay, ry Iaveh ô, mamindrà fo aminay,
fa efa tototry ny faniratsirana izaitsizy izahay.
       4 Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy,
ny famingavingan'ny mpirehareha, ny fanevatevan'ny mpiavonavona.