Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 124, 1-3,4-6,7-8,
Hira fisaorana.

       1Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida.
Raha tsy nomba antsika Iaveh,
- aoka Israely hitory izany, -
       2raha tsy nomba antsika Iaveh,
fony nitsangan-kamely antsika ny olona...
       3ho nateliny velona mihitsy isika,
raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
       4ho natelin'ny rano isika,
ho nandeha teo ambonin'ny fanahintsika ny riaka be.
       5Tao ambonin'ny fanahintsika no ho nandehanan'
ny rano mirimorimo.
       6Isaorana anie Iaveh,
fa tsy natolony tamin'ny nifin'ireo isika.
       7Afaka ny fanahintsika toy ny fody nitsoaka
tamin'ny fandrika haraton'ny mpihaza:
tapaka ny fandrika dia afaka isika.
       8Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'ny Tompo,
izay nanao ny lanitra sy ny tany. >