Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 125
Ny herin'ny fitaovan'Andriamanitra.

       1Fihirana fiakarana.
Izay mitoky amin'ny Tompo,
dia tahaka ny tendrombohitra Siona;
tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
       2Jerosalema mihetra tendrombohitra manodidina azy:
Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
       3Tsy hitoetra eo amin'ny lovan'ny marina
ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy,
mba tsy hanaingan'ny olo-marina,
ny tànany hanao ratsy koa.
       4Iaveh ô, totofy soa ny tsara fanahy,
sy ny mahitsy fo.
       5Fa raha ireo mivily amin'ny làla-miolikolika kosa,
aoka izy hafoin'ny Tompo miaraka amin'izay manao ratsy.
Fiadanana anie ho amin'Israely! >