Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 126, 1-2,3,4-5,6,
Fifalian'ny tafaverina avy amin'ny tany fahababoana - Fifonana ho an'izay mbola babo.

       1Fihirana fiakarana.
Fony Iaveh nampody ny voababon'i Siona,
dia toa nofy izany ho antsika.
       2Tamin'izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana,
ny lelantsika nanao hira firavoravoana.
Fahizany izao no am-bentin-teny amin'ny firenena:
Nanao zava-dehibe ho azy ireo Iaveh.
       3Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa Iaveh;
ka revon-kafaliana isika.
       4Iaveh รด, avereno ny anay voababo,
toy ny ampandehananao ny ranon-driaka ao amin'ny negeba.
       5Izay mamafy amin-dranomaso,
hijinja amin-kafaliana.
       6Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana,
mitondra sy mamafy ny voa famafiny.
Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana,
mitondra ny amboara avy amin'ny fijinjany. >