Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 127
Avy amin'Andriamanitra ny soa rehetra.

       1Fihirana fiakarana. Nataon'i Salomona.
Raha tsy Iaveh no manorina ny trano,
miasa foana izay manorina azy.
Raha tsy Iaveh no miambina ny tanàna,
miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
       2Tsy misy vokany ny fifohazanareo mbola tsy mipoaka ny andro,
sy ny iaorianam-pandriana,
mihinana ny hanim-pahoriana.
Fa ny malalany dia omeny tsy latsaka izany eo am-patoriany fotsiny.
       3Indro fa lova avy amin'ny Tompo ny zanaka;
valisoa ny aloaky ny kibo miteraka.
       4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan'ny mpiady,
toy izany koa ny zanaky ny fahatanorana.
       5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'izany,
fa tsy ho menatra raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady. >