Ny Salamo
Salamo toko 129
Fanozonana ny fahavalo.
1 Fihirana fiakarana.
Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho;
-aoka Israely hilaza izany! -
2 Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho,
nefa tsy naharesy ahy izy ireo.
3 Nolahasainy ny lamosiko,
nosoritany vava asa lava ao.
4 Marina anefa Iaveh,
ka notapahiny ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy.
5 Aoka ho menatra sy hiamboho eny,
izay rehetra mankahala an'i Siona!
6 Aoka hanahaka ny ahitra an-tafon-trano izy,
izay malazo alohan'ny hanongotana azy.
7 Ny mpijinja tsy mahafeno tànana amin'izany,
sy ny mpamehy amboara ny ampofoany.
8 Ary ny mpandalo tsy mba manao hoe:
Ho aminao anie ny fitahian'ny Tompo!
- Mitso-drano anareo amin'ny anaran'ny Tompo izahay.