Ny Salamo

Salamo toko 13
Fitarainan'ny olo-marina tra-pahoriana.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Hiran'i Davida.
       2 Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy,
mandra-pahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko?
       3 Mandra-pahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin'ny fanahiko aho,
ary dia ho feno alahelo isan'andro ny foko?
Mandra-pahoviana no hitsanganan'ny fahavaloko mamely ahy?
       4 Jereo, mba valio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô!
Omeo fahazavana ny masoko
mba tsy ho renoky ny torimaso fahafatesana aho,
       5 mba tsy hanaovan'ny fahavaloko hoe: Resiko izy!
ka tsy hifalian'ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.
       6 Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako;
ny famonjenao no hientanan'ny foko,
hihira ho an'Iaveh aho, noho ny soa nataony tamiko.