Ny Salamo

Toko faha-13

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Hiran'i Davida.

2 Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy, mandra-pahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko?

3 Mandra-pahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin'ny fanahiko aho, ary dia ho feno alahelo isan'andro ny foko? Mandra-pahoviana no hitsanganan'ny fahavaloko mamely ahy?

4 Jereo, mba valio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô! Omeo fahazavana ny masoko mba tsy ho renoky ny torimaso fahafatesana aho,

5 mba tsy hanaovan'ny fahavaloko hoe: Resiko izy! ka tsy hifalian'ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.

6 Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako; ny famonjenao no hientanan'ny foko, hihira ho an'ny Tompo aho, noho ny soa nataony tamiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0946