Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 130
Ao anatin'ny fahoriana mangidy indrindra.

       1Fihirana fiakarana.
Ato am-body hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh.
Tompo ô, henoy ny feoko;
       2aoka ny sofinao anie hihaino
ny feon'ny fivavahako.
       3Raha mitana ny fahatsiarovana ny heloka hianao, ry Iaveh,
iza no haharitra, Tompo ô?
       4Fa ao aminao ny famelan-keloka,
mba hanajan'ny olona anao.
       5Manantena an'ny Tompo aho, manantena ny fanahiko,
ary miandry ny teniny aho.
       6Maniry ny Tompo ny fanahiko,
mihoatra noho ny anirian'ny mpiambina ny fipoahan'ny andro.
       7Apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao, ry Israely,
fa ao amin'ny Tompo no misy ny famindram-po;
ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
       8Izy no hanavotra an'Israely
amin'ny helony rehetra. >